Ny faritra Anosy dia anisan'ireo faritra eto Madagasikara tsy misy fahatapahan-jiro, indrindra any Tolagnaro.
Nanomboka tamin'ny 2011, ny QMM, miara-miasa amin'ny governemanta malagasy sy ny JIRAMA, no manome herinaratra ny tanàna. Fa ankehitriny dia hahazo tombony amin'ny angovo avy amin'ny rivotra isika.
Efa vita ny iray amin'ireo kodiaran-drivotra 19 mbola hatsangana hatramin'ny 2025, ary hamokatra herinaratra 850 kW izy mba hanampy ny toeram-pamokarana amin'ny masoandro efa miasa ao EHOALA.
Sambany no nisy toeram-pamokarana herinaratra avy amin'ny rivotra naorina teto Madagasikara, ary any Tolagnaro ilay voalohany.
Rehefa vita ny fametrahana ireo kodiaran-drivotra 19, dia hamokatra herinaratra 16 MW izy rehetra.
Ny tanjona dia ny hampiasa angovo madio sy azo havaozina izay mety hampihena ny fanjifana solika.