Filaminana

Anôsy: talen'ny Filaminam-bahoaka isam-paritra vaovao

Mpanoratra

Ny vaovao rehetra

Anôsy: talen'ny Filaminam-bahoaka isam-paritra vaovao

Manana tompon'andraikitra vaovao ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Anôsy. Ny kômisera jeneralin'ny polisy Andriamanantsoa Zakatiana Pierre Donatien no voatendry hitarika azy.

Natao ny zoma 6 Novambra 2026 tany Toliara, avenue de Morondriake, ny lanonana ofisialy fandraisana ny fitantanana. Nahakasika ireo talem-paritra vaovao any Atsimo-Andrefana sy Menabe ihany koa izany.

Tamin'izany fotoana izany, nampahatsiahy ny laharam-pahamehan'ny governemanta ho an'ny mpitandro filaminana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka: fametrahana fandriampahalemana maharitra, fanatsarana ny fomba fiasa, fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly ary fitakiana vokatra mivaingana.