Mihoatra lavitra noho ny fanatsarana fotodrafitrasa fotsiny ny fanarenana ny RN13; mariky ny fandrosoana izy, manamora ny fitaterana ary mampandroso ny toekarena eo an-toerana.
Ny fiaraha-miasan'ny orinasa tsy miankina iray monina any Tolagnaro sy ny Fanjakana malagasy no mitazona ny fanantenana hanarenana ny lalam-pirenena RN13. Vola 8 tapitrisa dolara no nomen'ny orinasa hanohizana ny asa fanamboarana.
Hatramin'izao, manodidina ny 60 % amin'ny asa fanavaozana eo anelanelan'i Tolagnaro sy Ambovombe Androy no efa vita.
Ny ampahany amin'ity vola ity dia hampiasaina hanatsarana ny lalana eo amin'ny fidirana ao Tôlanaro. Ny ampahany hafa kosa ho an'ny asa fanamboarana ny lalana mankany amin'ny tanànan'i Betroka, mankany Ikalamainty.
Orinasa eto an-toerana ihany no hanatanteraka ireo asa ireo.