Sosialy

Fanombohana ny tetikasa MAFY any Taolagnaro!

Mpitantana

Ny vaovao rehetra

Fanombohana ny tetikasa MAFY any Taolagnaro!

Ny 1 Jolay 2025 no nanombohan'ny tetikasa MAFY (Manatsara ny Fisorohana / Manatsara ny Fitsaboana), hetsika nataon'ny Doctors for Madagascar hiadiana amin'ny tapi-dalan-dra (AVC) any atsimon'i Madagasikara. Tanjona: hisoroka, hitsabo ary hanohana ireo olona voan'ny tosidra sy ireo niharan'ny AVC any amin'ny faritra Anôsy sy Atsimo Andrefana.

+100 000 olona voan'ny tosidra no kendrena

Marary AVC 6 000 no harahi-maso mandritra ny 4 taona

Fanentanana, fitsaboana mora azo, fanamafisana ny hopitaly, fiofanana, fanarenana ary fikarohana eo an-toerana.

Tetikasa maha-olona, mivaingana ary mifanaraka amin'ny filan'ny faritra misy antsika.